1 Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe.

2 Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.

3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.

4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.

5 Nomeny hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha]

6 Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa.

7 Ny asan'ny tnany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;

8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

9 Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany.

10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankat izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]
